Antoko mpihira Orimbato sy English worship service

Hampatsiahy an-kira ny nizoran'i Jesoa Kristy


  • Alarobia 27 Martsa 2024

Ho fanamarihana ny andro Paska 2024 dia hanana endrika manokana ny Antsa Paska

atolotry ny antokom-pihira Orimbato avy ao amin’ny FJKM Tranovato Ambatonakanga, hoy ny fampitam-baovaon’izy ireo omaly. Hampatsiahy an-kira izay nizoran’i Jesoa Kristy ho famonjena antsika zanak’olombelona mba hananan’izay mino ny fiainana mandrakizay, hoy ny fanazavana. Iarahany miasa amin’ny Komitin’ny EWS na English worship service Foibe FJKM izany izay anoloran’i Stella Carol Ratefinanahary ny hira amin’ny teny anglisy, hotanterahina amin’ny fizaram-potoana faharoa. Hira notsongaina tamin’ny fihirana amerikanina sy anglisy izay efa fantatra sy vao hofantarina ihany koa toy ny «The way that He loves» an’i Elmo Mercer sy «To God be the glory» an’i Crosby & Doane. Milaza ny fIjaliana, ny fahafatesana ary ny fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty. Eo koa anefa ireo hira mitaona mba handray izany famonjena izany toy ny «In Chirst alone» an’i Keith Getty sy «He is the Light». Misy ny hira amin’ny teny malagasy amin’ny fizaram-potoana voalohany izay efa fantatra na vao hofantarintsika toy ny «Ny Holatrao» an’i Ndriana Ralambomiadana, «Hangina aho» an’i Aimé Raoeliarijaona, «Tsarovy aho» an’i Fahatokiana Razafimamonjy. Tononkalon’i Nirina Randriamamonjy kosa no handravaka izany. «Fiainana sy fiadanana» no lohatenin’ity Antsa Paska ity izay ankinina amin’ny soratra masina araka ny Jaona 316 “ ...tsy ho very izay rehetra mino Azy fa hanana fiainana mandrakizay.” Anasana am-pitiavana antsika rehetra hiaraka hidera sy hankalaza an’Andriamanitra ny Alahady 31 martsa amin’ny 3ora sy sasany ao amin’ny FJKM Tranovato Ambatonakanga. Marihina fa tsy misy vidim-pidirana ity hetsika ity ary hisy fizarana fahatsiarovana kely ho an’izay rehetra manatrika ny fotoana mba ho firariantsoa noho ny andro Paska, hoy hatrany ny fampitam-baovaon’ny antoko mpihira Orimbato.

J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT