Finoana

Antoko mpihira Orimbato Ambatonakanga Hanatanteraka antsa an-kiran’ny Paska miavaka


  • Alarobia 28 Martsa 2018

Hanatanteraka antsa an-kiran’ny Paska miavaka ny antoko mpihira Orimbato Ambatonakanga ny alahady 1 Aprily ho avy izao manomboka amin’ny 2 ora sy sasany folakandro.

Tafiditra ao anatin’ny fankalazana  ny faha-200 taona nidiran’ny LMS teto amintsika izany sady ho fanamarihana ny  faha-45 taonan'ny trano vato ambatonakanga ihany koa.  Arahina fampisehoana sy fampirantiana  goavambe io hetsika io izay samy hotontosaina eo anivon’ny fiangonana  Tranovato Ambatonakanga avokoa. Ny 30 martsa no hanokafana ny fampirantiana  izay hifarana ny  1 aprily ho avy izao,  araka ny tafa nifanaovan’ny tompon’andraikitra tamin’ny mpanao gazety omaly. Tsiahivina fa anisan’ny tanjona amin’izao telo andro hanaovana fampirantiana izao ny fampahafantarana ny zavatra  vitan’ny misionera  teto Madagasikara. Tafiditra ao anatin’izany ny  fampivoarana ny fandrosoana nentin’izy ireo teto amintsika  raha tsy hilaza afa tsy ny fampianarana sy ny fadikana ny baiboly ary ny resaka fivavahana sy ny fampiroboroboana ny sehatry ny toekarena isika.

 

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT