Finoana

Antoko mpihira AMAM Mitohy ny fankalazana ny faha-50 taona


  • Alatsinainy 02 Jolay 2018

Tontosa soa aman-tsara omaly tetsy amin’ny FJKM Andrainarivo fahasoavana ny ivon’ny fankalazana ny faha-50 taonan’ny antoko mpihira ao an-toerana Antsan’ny Mamatonalina na AMAM.

 Niara-nankalaza an’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny toriteny an-kira avokoa na ireo mpikambana am-perinasa sy ny maintimolaly ary ireo izay efa nandalo rehetra teo anivon’ity antoko mpihira Kristianina ity tao anatin’izay 50 taona izay. Noventesina avokoa ireo hira nahafantarana ny sampana toy ny “Fiainana” sy “Etsy Ange” ary “Misy feo”. Ny harivan’io moa dia mbola nanolotra fampisehoana klasika tetsy amin’ny Paroasy Andohalo ny AMAM. Mitohy hatrany kosa ny fankalazana an’Andriamanitra noho izay faha-50 taona izay, raha ny fanazavana, ary tsy mifarana raha tsy amin’ny volana novambra.

J. Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT