Finoana

Antoko mpihira AMAM Hiavaka ny faha-50 taona


  • Zoma 16 Febroary 2018

Hosokafana amin’ny fomba ofisialy amin’ny alalan’ny fanompoam-pivavahana goavana hotontosaina ny marainan’ny alahady izao ny fankalazana an’Andriamanitra noho ny faha-50 taonan’ny antoko mpihira Antsan’ny mamatonalina etsy Andrainarivo na ny AMAM.

 Ny tenin’ny baiboly ao amin’ny Levitikosy 25 : 10 hoe « Hamasino ny taona faha dimampolo… jobily ho anareo izany. » moa no teny filamatra noraisin’ny antoko mpihira. Hiavaka, araka izany, ity fankalazana ity, noho izay maha jobily azy izay. Hampihaonina sy hampiarahana midera an’Andriamanitra avokoa amin’io alahady io ny mpikambana rehetra efa nandalo teo anivon’ity antoko mpihira ity tao anatin’izay 50 taona izay. Ny tolakandro moa dia misy ny rindrankira lehibe iarahan’ny antoko mpihira amin’I Rija Ramanantoanina izay atao ao amin’ny FJKM Andrainarivo fahasoavana hatrany.

J. Mirija


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT