Finoana

Antoko mpihira AFATRA Hitondra ny « Akon’ny lanitra »


  • Zoma 11 Janoary 2019

« Akon'ny Lanitra » indray no entin'ny Antoko Mpihiran'ny Tranovato Ambatonakanga, AFATRA, ankalazana ny fetin'ny Epifania.

 

Hotanterahina ny alahady 13 janoary 2019 manomboka amin'ny 3 ora tolakandro ao amin'ny fiangonana Tranovato Ambatonakanga izy io. Raha mahazatra ny firenena tandrefana, hoy ny mpikarakara, ny mankalaza ny noely amin'ny faha 25 desambra, dia ny alahady faharoa manaraka an'io daty io no ankalazan'ny tatsinana ny fahaterahan'ny mpamonjy. Mbola manan-danja eo amin'ny fiangonana rahateo izany ka nofidian'ny AFATRA homarihina amin'ny hira karazany maro : hira fifohazana, izay maneho fomba iray nandraisan'ny malagasy ny fivavahana kristianina, no anisan'ny horedonina amin'izany. Ao koa ireo rivotra entin'ny mpino avy any afrika izay mampientana ny fo sy ny fanahy. Efa vonona ny AFATRA sy ny mpitendriny koa manasa antsika hifaly sy hidera ny Tompo ary hiorina am-panantenana amin'ny tenin'ny soratra masina hoe: " Fa indro, Izaho nahary lanitra vaovao sy tany vaovao ", hoy ny fanentanan’izy ireo.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT