Finoana

Antilin’i Madagasikara Feno 100 taona, hanatsara ny fanabeazana ny tanora


  • Alakamisy 23 Martsa 2023

Nosokafana tamim-pomba ofisialy omaly Alarobia 22 Martsa tamin'ny alalan’ny sorona masina lehibe notanterahina

teny amin'ny katedraly Andohalo ny fankalazana ny faha -100 taonan’ny Antilin'i Madagasika notarihin’ ny Ray am-panahy iombonana Antilin'i Madagasika ny Mompera Fanambinana Juvenal sy ireo mompera mpiahy diosezy roa hafa. Navondrona nandritra izany ny mpikambana rehetra sy ireo Antilin'i Madagasika maro tao anatin’ilay teny filamatra manao hoe : '' Satria raha tsy Izaho, dia tsy mahefa na inona na inona ianareo'' Joa ny15,5b. Nampahafantarina teny an-toerana nandritra izany ihany koa ny Reny mpiahy azy ireo dia ny “ma reine” Rtoa Sylvia Ranaivojaona izay manohana azy ireo amin'ny alalan'ny orinasa PERFECT Communication. Raha tsiahivina kely moa dia anisan’ny tanjon’ny fikambanana Antilin’i Madagasikara ny hanatsarana ny fanabeazana ireo tanora Malagasy mpikambana ao aminy amin’ny alalan’ilay miray vina, miray tanjona ary miray fahombiazana ho an’ny fanabeazana. Nambaran’ny Reny mpiahy ny fikambanana Rtoa Sylvia fa hampanetren-tena tanteraka no handraisany izany andraikitra makadiry izany ary vonona ny tenany hanohana ny fikambanana hatrany mandrapahatongan’ny taona 2025. Mbola maro moa ny hetsika hotanterahina ao anatin’izao fankalazana ny faha-100 taonan’ny fikambanana izao izay hitohy avy hatrany amin’ny famelabelaran-kevitra sy varotra fampirantiana hatao ao amin’ny Plaza Ampefiloha anio 23 martsa sy amin’ny sabotsy 25 martsa. Hitohy amin’ny lamesa fanokafana ofisialy izany amin’ny alahady 26 martsa hatao eny Soamandrakizay.
Legende : Ireo mpikambana ao anatin’ny Antilin’i Madagasikara hotronin’ny Reny mpiahy azy Rtoa Sylvia Ranaivojaona
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT