Finoana

Antilin'i Madagasikara Diosezy Antsiranana


  • Talata 20 Jona 2023

Filoha hiasa mandritra ny 3 taona i Félix Zafy

Tontosa tamin’ny faran’ny herinandro teo ny fifidianana izay ho filohan’ny Antilin’i Madagasikara hitantana ny diosezin’Antsiranana vaovao mandritra ny 3 taona. Lany tamin’izany Atoa Felix Zafy izay nanambara fa hanitsy izay tsy nety sy handamina, indrindra fa hampivondrona ireo mpikambana izay nisaratsaraka teo aloha tsy hanavahana saranga na sokajin’olona. Toraka izany koa ny fanatsarana ny fanabeazana ireo tanora mpikambana mba ho tena mendrika araka ny finoana arahiny tokoa izy ireo fa tsy sanatria handiso fanantenana ireo mpanabe sy mpampianatra azy. Nankasitraka feno ireo filohan’ny Antilin’i Madagasikara lavitra tonga nanotrona ny fametrahana azy araka izany Atoa Felix Zafy. Nambarany fa vonona ny tenany handray izao andraikitra makadiry izao ho fanohanana ny firenena amin’ny fanabeazana ny tanora. Tonga nanatrika izany Rtoa Sylvia Ranaivojaona izany Reny mpiahy ny Antilin’i Madagasikara ao anatin’izao fankalazana ny faha-100 taonany izao. Nambarany fa zanany avokoa ireo mpikambana eo anivon’ny Antily manerana ny Nosy ary tsy maintsy manotrona azy ireny ny tenany. Zay vita no hatao raha araka ny fanazavany manoloana izany adidy masina izany.

Pati
Legende : Nandritra ny fametrahana ny filohan’ny Antilin’i Madagasikara diosezin’Antsiranana

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT