Finoana

Ankorondrano Raikitra indray gidragidran’ny Jesosy Mamonjy


  • Alatsinainy 24 Jolay 2023

Ady tsy vita ny raharaha Jesosy Mamonjy! Raikitra indray ny sakoroka tao amin'ny Jesosy Mamonjy Ankorondrano

foiben'ity fiangonana ity omaly alahady 23 jolay 2024. Nirodorodo nanao be fihavy niazo an'Ankorondrano nilanja sora-baventy ireo mpino avy amin'ny ankolafy 67ha sy ireo solotenam-paritra. Fanoherana ny jadona amin'ny fitantanana ny fiangonana, ny fialokafolana ara-politika tsikaritry ny mpino izay maha voatonona solombavambahoaka iray, ny tsy fankatoavana ny birao mitantana ny fiangonana no anton'ny fitokonana,... no isan'ny antony, raha ny fanazavana. Herintaona latsaka iray volana aty aoriana, tsy mety milamina ny raharaha. Ny tapaky ny volana aogositra 2022 mantsy no nisian'ilay fifamonoana tamin'ny alalan'ny fifampidarohana seza noho ny raharaha fifidianana nampifanolana. Niitatra tamin'ny fifanoherana tany amin'ireo rantsan'ny fiangonana sasany tahaka ny tetsy Tsarahonenana. Asa raha mbola voatazona ilay hoe: "Fiangonana fiombonana" na efa tafiditry ny leson-dratsin'ny mpanao politika ihany koa ny fiangonana ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT