Finoana

Ankorondrano Naato aloha ny fandravana ilay Fiangonana


  • Talata 07 Janoary 2020

Nisavorovoro ireo mpino Pantekotista tetsy amin’ny fiangonana Pantekotista mitambatra etsy Ankorondrano omaly. T

 

 

 

onga saika nampihatra ny didy fandravana ny fiangonana eo an-toerana ny vadintany sy ny tompon’ny orinasa iray raha vao maraina raha ny fitantaran’ny tompon’andraikitry ny tanim-piangonana ao amin’ity trano fivavahana ity, Lanto Rasoarimanana. Ny zoma teo, raha ny fanazavany, no naharay ny taratasy fampandrenesana mikasika ny hanatontosana ity fandravana ity ny fiangonana ary efa nilaza ho tsy afaka hanaiky izany. Mbola tao anatina vondrom-bavaka anefa omaly maraina, raha ny fanazavana hatrany, no raikitra avy hatrany ny fandravaravana. Raha ny fanazavan’ny zanaky ny fiangonana hatrany anefa dia efa 17 taona no naha teo ity fiangonana etsy Ankorondrano ity saingy izao nobodoina orinasa mpamokatra toaka izao. Nanoloana ny savorovoro hita teny an-toerana moa dia naato aloha ny fandravana ity fiangonana ity ary omaly hariva ihany dia efa niezaka namerina ny tafom-piangonana ny firaisankinan’ireo mpino. Heverina anefa fa tsy hijanona hatreo akory ny raharaha.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT