Finoana

Andron’i Md Misely Hetsika maro samihafa no natao teny Ivato


  • Alarobia 30 Septambra 2020

Nankalazaina omaly teny amin’ny 1RFI Ivato ny andron’ny Masina Misely, mpiahy ny mpilatsaka an’elon’aina, izay fanao isan-taona eo anivon’ny Tafika, ka tamin’ity taona ity dia nanome voninahitra izany lanonam-pankalazana izany ny Praiminisitra,

 

 

 

Lehiben’ny governemanta Ntsay Christian. Lanonana izay teo ambany fitarihan’ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena ary notronin’ny Minisitry ny Filaminana anatiny, ny Tale kabinetran’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria, ny Lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika, ireo manamboninahitra Jeneraly, ireo manamboninahitra ambony, ireo manamboninahitra lefitra, ireo miaramila an-daharana, ireo miaramila rehetra eo anivon’ny Rezimanta voalohan’ny hery vonjy taitra, ary ny fianakaviamben’ireo mpilatsaka an’elon’aina. Nisy ireo hetsika maro isan-karazany nandravahana ity fankalazana ity, toy ny hazakazaka am-pirahalahina, ny fotoam-pivavahana, ny fampisehoana ireo asa fampandriana fahalemana ataon’ireo mpilatsaka an’elon’aina (présentation dynamique). Isan’ny nilatsaka an’elon’aina niaraka tamin’ireo miaramilan’ny 1RFI ny Minisitry ny Fiarovana Jeneraly Rakonirina Léon Richard, ny fifandimbiasam-pitenenana ary ny fampiratiana. “Raha tsy voaaro ny fananam-pirenena dia tsy afaka ny handroso ny firenena, raha tsy haintsika ny mikajy ny fananantsika dia hahantra foana ny firenena”, hoy ny Priminisitra. Nisy moa ny fampitaovana, toy ny elon’aina nositrahan’ny tafika Malagasy

. Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT