Finoana

Andron’ny tanora katolika Vonona tanteraka Antsiranana


  • Alarobia 05 Septambra 2012

«Mbola tsara anôro» ! Io no sorabaventy mitsena ireo tanora katolika marobe avy amin’ny lafivalon’ny Nosy rehefa hiditra an’Antsiranana izy ireo hiatrika ny Andron’ny tanora katolika na JMJ Mada 7.

 Na dia anio alarobia 05 septambra amin’ny 02 tolakandro aza moa no fanombohan’ny Andron’ny tanora katolika dia marobe ireo efa tonga nialoha tany an-toerana nanararaotra nizaha tany ihany koa. Vonona tateraka ny Faritra DIANA amin’ny fanohanana ny fiangonana katolika amin’ny fandraisana ity hetsika nasionaly goavana ity. Raha ny nambaran’Atoa Bezara Romuald, lehiben’ny Faritra dia ny fiantsorohana ny fandriampahalemana no tena nifotoran’izy ireo mba hizoran’ny hetsika am-pilaminana. Nambarany fa hisy ny mpitadro filaminana isaky ny toby fandraisana ireo mpizaika ka tsy hisy ny atahorana satria efa vonona avokoa ireo mpitandro filaminana hiantsoroka izany.

Nambarany fa na dia nisy aza ireo andiana tanora mpisetrasetra teo aloha izay nandoto ny lazan’ny tanànan’Antsiranana dia efa voafehy izany nandritra ny roa volana teo ho eo ka ho porofoin’izy ireo fa milamina tanteraka Antsiranana ary tsy tokony hanana ahiahy ireo ray aman-dreny mandefa ny zanany any. Nambaran’ny lehiben’ny Faritra fa nanomboka ny alatsinainy 03 septambra lasa teo dia ho foana ny fahatapahan’ny jiro eto Antsiranana satria efa afaka mihodina tsara ilay fitaovana vaovao iaraha-miasa amin’ny orinasa AGRICO, izay manana tanjaka 12 MW ka azo antoka fa ho foana amin’izay ny delestazy ao Antsiranana.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT