Finoana

Androm-bavaka maneran-tany Eny Mahamasina ny 8 jona


  • Talata 21 Mey 2019

Hotanterahina ny sabotsy 08 jona ho avy izao ilay androm-bavaka maneran-tany na ny “Global day of prayer” eto Madagasikara.

 

 

 Hetsika efa fanaontsika nandritra ny 16 taona izy ity, hitondrana am-bavaka manokana ny firenena. Nambaran’Atoa Mamy Rakotolehibe,  talen’ny fikambanana mpiara-mamaky ny Baiboly izay mpikarakara ny hetsika omaly fa  hampiavaka ny hetsika amin’ity taona 2019 ity ny fisian’ny diabe ho an’i Kristy, mialoha ny fiombonam-bavaka lehibe izay hotontosaina etsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina. Amin’ny 02 ora folakandro moa vao tena hanomboka ny fotoam-pivavahana saingy horavahana fijoroana vavolombelona hataon’ireo Kristianina maro samihafa izany  mialoha ny ora voatondro. Tsiahivina fa hetsika iraisam-pinoana iombonan’ny firenena maherin’ny 240 manerana izao tontolo izao ny  “Global day of prayer”. Tanjona amin’izany ny hanetsika ny Kristianina mba hiray saina sy hiaina ireo  soatoavina voizin’ny soratra masina ka hanantenantsika fanasitranana marina ho an’ny firenena.

 

Mirija sy Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT