Finoana

Ambohimanarina Niatrika sedra, nioty vokatra tsara


  • Alarobia 19 Aprily 2017

Niara-niombom-bavaka fisaorana an’Andriamanitra tao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kritsy eto Madagasikara Ambohimanandray

Filadelifia ny faran’ny herinandro teo ny solombavambahoakan’i Madagasikara Rasoanoromalala Horace sy ireo mpiara-miasa rehetra niaraka tamin’ny vahoakan’Ambohimanarina. Lohahevitra nofinidy noho ireo zavatra vita sy kinasa ao amin’ny boriborintany faha-6 ny «Misaora amin’ny zavatra rehetra» ao amin’ny Tesaloniana I, 5 : 18a izay mifanindran-dalana amin’ny iraky ny FJKM dia ny hoe «Vontosy Filazantsara ny nosy Madagasikara». Nandalo sedra tokoa ireo fokontany 31 ao amin’ny distrika faha-6 fa nioty vokatra tsara ihany koa amin’ny ankapobeny raha tsy hilaza afa-tsy ny lafiny fambolem-bary izay mampiavaka ity faritra ao anatin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra ity. Fotoana ihany koa anefa namoahana ireo mpianatra miisa 51 nahavita fiofanana zaitra, informatika, fahandroan-tsakafo ary zaridaina. Tetikasa fampandrosoana iray izy io fitsinjovana ny sosialim-bahoaka nosantarin’ny depiote voafidy ao an-toerana nanomboka tamin’ity taona ity.

Ramano F.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT