Finoana

Ambohimalaza Mihenjan-droa ny tady eo amin’ny FJKM sy ny FPTAF


  • Zoma 09 Aprily 2010


Nivoaka tamin’ity herinandro ity ny didy na «arrêté de mise à disposition» momba ny raharahan’ny fiangonana Ambohimalaza, izay milaza fa tokony hiala ao an-toerana ny FJKM. Raha tsiahivina dia ny fianakaviana Rasoloarijao no nanome ny tany iorenan’ny Fiangonana Protestanta Tranovato Ambohimalaza Firaisana na FPTAF. Nanomboka ny taona 2002 anefa dia lasa ny FJKM no mitondra ity fiangonana ity. Misy ireo mpino no tsy mankasitraka intsony ny hitondran’ny FJKM ny fiangonana ka dia nametraka ny raharaha eo anivon’ny fitsarana. Tamin’ity taona ity àry dia tafaverina tamin’ny fiangonana FPTAF ny fitantanana ny tany sy ny trano, araka ny vaovao nampitain-dRazafindraleva Allain, solontenan’ireo mpino. Nisy moa didim-pitondrana nivoaka mifanaraka amin’izany. Etsy an-daniny, raha nanontaniana ny heviny ny foibe Fjkm dia nilaza fa tsy hamela izao raharaha izao mora foana. Fanararaotana fotsiny noho ny vanim-potoana tetezamita eto amin’ny firenena izany, hoy izy. Lasa resaka politika ity raharaha ity, araka ny fanazavan’ny sekretera jeneralin’ny FJKM, Marinasy, Mpitarindra. “Tsy hiala ny FJKM fa hitady lalana hafa”, hoy ihany ny fanazavana. Araka izany dia mihenjan-droa ihany ny tady eo amin’ireo mitaky ny hialan’ny FJKM, an-daniny sy ny FJKM izay milaza fa zary lasa resaka politika ity raharaha ity an-kilany.

 
Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT