Finoana

Amboaran-kiran’ny Fjkm Vinany Tempoly Malala Mankalaza ny faha 50 taona niorenany


  • Alatsinainy 01 Septambra 2014

Antsan-kira miavaka niampy famoahana ny DVD misy ny raki-tsarin’ireo hira fitoriana no nanamarihan’ny amboaran-kira ao amin’ny Fjkm Vinany Tempoly Malala ny ivon’ny jobily faha-50 niorenany omaly alahady 31 aogositra.

Natomboka tamin’ny fanompoam-pivavahana ny fotoana omaly maraina. Ny taona 1964 no niorenan’ny antokom-pihira, maro ireo mpikambana nifandimby nandalo tao, maro ny zavatra efa nolalovana nandritra izay vanim-potoana izay, nisy ihany koa ny fanatsarana tsy maintsy natao.  « Jobily ho anareo izany taona faha-dimampolo izany….dia mihira sy mikalo ao am-ponareo ho an’ny tompo », izay no teny filamatra notsoahana tao amin’ny Lev 25 :11a – Efe 5 :19b ka enti-miatrika izao jobily faha 50 taona izao.Ny volana desambra ho avy izao  no hamaranana ny taon-jobily ka tsangam-bato apetraky ny amboaran-kira ao amin’ny Fjkm Vinany Tempoly Malala amin’izany ny fanamafisam-peo sy milina famokarana herin’aratra azo entina amin’ny fitoriana ny filazan-tsara an-kira mitety faritra.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT