Hidera an’i Jehovah aho raha mbola miaina koa » : Salamo 146 2a,
io no teny faneva entin’ny AMAF na Antoko Mpihira Andravoahangy Fivavahana manamarika ny faha-75 taona niorenany. Anisan’ny sangany teo amin’ny hira fiderana ara-pilazantsara ny AMAF FJKM Andravoahangy Fivavahana, fantatra amin’ireo hira tsy lefy laza na aiza aleha. Heno amin’ireo radio na fahitalavitra ary hirain’ireo Antoko mpihira hafa ihany koa mihindrana aza misy ireo lasa fihirana fiangonana toy ny : Lavitra akaiky ny any aminao, Ray Indro ny famonjena, Harena sy fananako, Ny marina, Lay trano tsy natao tanana sy ny maro tsy voatanisa satria dia nahavita nandrakitra izany tamin’ny K7 efa volume marobe izy ireo nanomboka ny taona 70 80 90 tany ho any, raha ny fanamarihana. Tsy mijanona rahateo koa ny AMAF fa mitety ireo fiangonana maro samihafa miara-miasa na an-drenivohitra na ambanivohitra lavitra sy any amin’ny faritra isaky ny alahady. Ankehitriny, noho ny fahasoavanao ry Tompo hoy ny AMAF dia hankalaza ny faha 75 taona namafazana sy nitoriana ny Filazantsara an-kira, ary henika ny fitahiana rahateo koa noho ny fananana an’i Zoky ray aman-dreny Jordan mivady izay mankalaza ny faha 50 taona namoronana hira. Hoentin’izy ireo an-tsehatra ao Antsahamanitra ny alahady 13 jolay 2025 izao manomboka amin’ny 2 ora sy sasany ny fankalazana ny faha-75 taona, ka anasan’izy ireo rehetra. Nomarihina fa mora ny saram-pidirana, ary hisy varotra fahatsiarovana samihafa atolotry ny AMAF ho antsika ho voninahitr’Andriamanitra irery ihany, hoy ny mpikarakara.
Nangonin’i Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.