Finoana

Alatsinain’ny pentekosta Nahitana taratra ny fahasahiranan’ny olona


  • Talata 07 Jona 2022

Toy ny andro fakan’aina fotsiny ihany ny andron’ny omaly alatsinain’ny Pentekosta ho an’ny teto an-drenivohitra sy ny manodidina. Tsy dia nahitana olona firy toy ny tamin’ny fetin’ny paska mantsy teny amin’ireo toerana be olona toy ny mahazatra.

Ho an’ny teny amin’ny By pass manokana ohatra dia omaly hariva vao mba nisy olona kely na dia hita teny an-toerana avokoa aza ireo karazana kilalao toy ny soavaly hazo, ny manezy…. Raha araka ny resaka nifanaovana tamina tompona kilalao iray dia tena maina ny tsena. Fatiantoka no azon’izy ireo tamin’ny fitaomana ireo karazana kilalao ireo fa tena tsy nisy olona mihitsy. Taratry ny fahasahiranan’ny isan-tokantrano avokoa izany raha fintinina. Ankoatra ireo fety nifanesy tato ho ato mantsy dia sahirana amin’ny fiakaran’ny vidim-piainana rehetra ka naleony naka aina tao an-trano niaraka tamin’ny fianakaviana. Saika tsy nanana teti-bola manokana hiatrehana ny fety rahateo ny ankamaroan’ny isan-tokantrano. Taorian’ny fetin’ny pentekosta omaly moa dia homarihina amin’ny alahady 19 jona ho avy izao indray ny fetin’ny Ray ary herinandro aorian’izany ny fetin’ny 26 jona, hankalazana ny tsingerin-taona faha-62 nahazoantsika ny fahaleovantena.
Pati
Legende : Tsy dia nifandrombahana ny teny amin’ny By pass omaly
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT