Akon’ny fetin’ny paska

116 ireo voasambotra nanerana ny Nosy


  • Alarobia 22 Mey 2024

Nahatratra 116 ireo olona nosamborina nandritra ny fetin’ny Pentekosta lasa teo nanerana ny Nosy.

Ny 56 tamin’ireo dia teto amin’ny Faritra Analamanga avokoa vokatry ny tsy fanaharan-dalana nataony raha araka ny fanazavana azo teo anivon’ny polisim-pirenena. Anisan’ireny ny fivoahana alina nefa tsy mitondra kara-panondrom-pirenena. Eo ihany koa ny figafigafiana olona mandeha eny an-dalana, ny fanompana arahin’ny fitenenan-dratsy ho an’ny sasany. Nahatratra 32 kosa ny halatra tsotra. Miisa 3 ny halatra moto raha miisa 7 ny harom-paosy nitranga. Nahatratra 10 be izao kosa ny fatin’olona hita, roa ny trano may izay tsy nisy aina nafoy fa fahapotehana entana sy fahasimbana fananana no nisy. Tsiahivina moa fa nahatratra 5.890 isa ireo polisy niasa nanerana ny Nosy nanomboka ny andron’ny Sabotsy talohan’ny fetin’ny Pentekosta teo ka hatramin’ny omaly Talata 21 May. Nambaran’ny teo anivon’ny polisim-pirenena moa fa nilamina ny fetin’ny Pentekosta tamin’ity taona ity tamin’ny ankapobeny raha oharina tamin’ny taon-dasa.
Pati
Legende : Niasa mafy tahaka izao ny polisim-pirenena nandritra ny fety !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Léon XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

  • Mankalaza ny faha-42
  • Alarobia 25 Martsa 2026

taonany ny fiangonana Shincheonji

  • Pastera Heritiana
  • Alarobia 18 Martsa 2026

« Tokony hahitsy toa ny

Hijery ny tohiny
FTT