Finoana

Akon'ny hetsiky ny mpitondra fivavahana.


  • Talata 06 Aprily 2010

Vahoaka an’aliny maro no tonga nanohana ny antson’ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana omaly. Mahalana ihany no nahitana fahafenoana olona toa ireny ny kianjan’Alarobia. Alatsinain’ny Paska niavaka iny. Tsy vitsy manko ireo nisafidy ny hitondra am-bavaka ny firenena, namoy ny fitsangantsanganana sy ny fety aman-danonana maro samihafa.

Roger Randriamisata, HMF : «mahagaga mandrakariva ny asan’Andriamanitra. Tsy araka ny niheverana azy, na dia betsaka aza ireo fety aman- danonana dia maro ny olona nanoina ny antso. Hita sy taratra tamin’ny fahamaroan’ny olona androany (omaly) fa mangetaheta fahamarinana sy fanafahana ny vahoaka”.

 

Maurice de Dieu, HMF: “Tena tafalatsaka lalina ao anatin’ny fahasahiranana ny firenena. Manao antso izahay ny amin’ny tokony handraisana fanapahan-kevitra amin’izay nifanarahana. Hiditra amin’ny hetsika mahery vaika ny HMF fa efa tena mijaly ny vahoaka».

 

Ihanta Randriamandrato, Teza  : «hita hoe mangetaheta fahafahana ny vahoaka. Raha ny finoan’ny vahoaka sy ny fanambaran’ny HMF dia tsy ho ela dia handresy ny Malagasy. Araho dia ekeo ny tenin’ireo mpitondra fivavahana».

 

Rabetsitonta Tovonanahary, Grad Iloafo : «amin’ny toerana rehetra misy finiavana ho amin’ny fifamelan-keloka, fampihavanana dia eo mandrakariva ny Grad Iloafo. Momba ny HMF manokana dia hita fa tsy fitadiavan-tseza no ataon’izy ireo fa fanavotam-pirenena».

 

Raony, raim-pianakaviana : Mihitsoka amin’ny tena lalina ny firenena na dia efa nisy fotoana aza teo aloha efa mba nandeha tsara. Ety no hitanay fa sady fanompoana no fitiavan-tanindrazana. Misy finoana hiverenan’ny teo aloha ao anatiko ao, hiverenana miaina amin-kafaliana indray.

 

Aimée, mpino katolika : Zava-dehibe ny fanavotana ny firenena. Amiko dia mila vavaka ny firenena. Vavaka no atao ety ka aleoko mivavaka. Raha fitsangantsanganana iarahana amin’ny fianakaviana no mahazatra anay isan-taona rehefa alatsinain’ny Paska toy izao, tamin’ity dia izahay mianakavy no indray nankaty.

 

Jacques, mpino protestanta: Isan-taona izahay dia any Antsirabe. Tamin’ity dia tratry ny krizy ka tsy afaka nandeha. Amin’izao zavatra manjo ny firenena izao dia aleo mivavaka ho an’ity firenentsika ity. Iaraha-mahalala ny fandrosoana teo aloha, ankehitriny anefa dia nihemotra be izany ka tsy fantatra intsony. Izay no hitondrana am-bavaka ny firenena.

 

Nivo, olon-tsotra : «tsy mbola tapaka nanatrika ny hetsika nataon’ny mpitondra fivavahana aho. Tena mitombo hatrany ny vahoaka mangetaheta izany fahamarinana izany. Tamin’ity androany ity dia tena nahafinaritra ny fiaraha-mientana satria na dia betsaka ny fety etsy sy eroa dia maro ireo nisafidy ny hitondra am-bavaka ny firenena, tena zava-dehibe izany. Momba ny fanambarana indray dia manentana ny tsirairay aho hino fotsiny ihany».

 
Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Léon XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

  • Mankalaza ny faha-42
  • Alarobia 25 Martsa 2026

taonany ny fiangonana Shincheonji

  • Pastera Heritiana
  • Alarobia 18 Martsa 2026

« Tokony hahitsy toa ny

Hijery ny tohiny
FTT