Finoana

Akany Avoko FFPM Ambohidratrimo Mitohy ny varavarana misokatra lehibe


  • Zoma 01 Jona 2018

Mitohy ny varavarana misokatra lehibe natao hampahafantarana misimisy kokoa ny Akany Avoko FFPM eny Ambohidratrimo izay nosokafana tamin’ny alatsinainy 28 mey lasa teo ka tsy hifarana raha tsy amin’ny zoma 8 jona 2018 izao,

 

 hoy ny filoha am-perinasan’ny Fiombonan’ny Fiangonana Protestanta eto Madagasikara (FFPM) ny Pastora Dr Rakotonirina David , teny amin’ny foiben’ny FLM teny Isoraka omaly alakamisy 31 mey. Sahan’asa Fanasoavana iray eo anivon’ny FFPM naorina tamin’ny taona 1964 ity Akany ity ho fiarovana ireo zaza tsy ampy taona tandindonin-doza na niharan’ny herisetra na « centre d’Accueil des Mineurs en Danger » raha  Akany Fanarenana na « Centre de Réeducation pour Jeunes Filles Délinquantes » no fiantso azy teo aloha. Ny tanjony, hoy ihany ny filohan’ny FFPM, dia mitaiza ara-panahy, ara-tsaina sy ara-batana ny ankizy. Manova azy ireo ho lasa olom-banona manana ny maha izy azy eo anivon’ny fiarahamonina. Mianatra avokoa ireo ankizy miisa tezaina ao amin’ity Akany ity ankehitriny ary misy 7 ireo mianatra eny amin’ny ambaratonga ambony. Miroso amin’ny fizakan-teny ny Akany ka mamboly ary mahavita tena amin’ny fihinanana légioma. Miompy ombivavy be ronono 4, ganagana sy bitro ihany koa ary afaka mampidi-bola amin’ny fiaraha-miasa amin’ireo « Agence de voyage »  amin’ny fandraisam-bahiny sy manao asa tanana. Mamadika ny fako ho lasa « composte » sy avadika ho arina fandrehitra. Mamadika ny poti-taratasy ho lasa “cartes” sy “albums”. Mamadika ny “sachets” ho “tapis” famafan-tongotra sy harona ary satroka ary mamadika ny tavoahangy plastika ho sezabory sy kifafa sy ny pipy sy kaka ho “gaz methane” na Biogaz … Hentanina indrindra indrindra ny tanora hitsidika an’ity varavarana misokatra jerena maimaimpoana ity miaraka amin’ny  Antsankira Fiderana lehibe rahampitso sabotsy 2 jona 2018.

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT