Finoana

Ady amin’ny kolikoly Mitaky asa fa tsy resabe, hoy ny filohan’ny FJKM


  • Alarobia 14 Desambra 2016

Tompon’andraikitra feno amin’ny famongorana ny fahalovana eny anivon’ny fiarahamonina ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara,

 hoy ny filohany ny mpitandrina Irako Andriamahazosoa Ammi nandritra ny fanamarihana ny andro iraisampirenena iadiana amin’ny kolikoly teny amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny Anosy ny 9 desambra 2016 teo. Zava-dehibe ny fahafantarana ny zava-misy marina mikasika azy io ahafahan’ny fiangonana miatrika izany, araka ny fanazavany. Nanangana komitim-pirenena manokana miady amin’ny kolikoly rahateo ny synoda lehiben’ny Fjkm andiany faha-18 notontosaina tao Antsirabe farany teo. Anjara biriky goavana entin’ny fiangonana ny fitantanana sy fanabeazana ireo vahoaka kristianina ao aminy ho sahy handray andraikitra tsy am-pisalasalana hampijoroana ny fahamarinana eto amin’ny firenena. Tsy ilaina ny fanaovana resabe iadiana amin’ny kolikoly fa ny asa mivaingana no takiana, hoy hatrany ny filohan’ny Fjkm ny mpitandrina Irako Andrimahazosoa Ammi.

Ramano F.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT