ADIM-PIAINANA, FAMOIZAM-PO…

Vavaka ihany no vahaolana hoy Pastera Heritiana


  • Alarobia 23 Oktobra 2024

Tena sarotra ny fiainana. Tsy misy izay tsy mikolay amin’izany ny ankamaroan’ny tokantrano Malagasy,

antony manosika ny sasany hamoy fo indraindray, lasa adala eny am-pandehanana, tsy mahalala olona intsony….noho ny hamaroan’ny adidy manenjika aza nefa ny tena tsy an’asa. Misy koa ireo manana anton’asa ihany saingy tsy mahasehaka ny filana intsony ny vola miditra noho ny fidangan’ny vidim-piainana. Tsy lazaina intsony ireo mitsabo ny tsy salama izay efa lany vola aman-karena nefa tsy mahita fitsaharana. Ny vavaka ihany hoy Pastera Heritiana Randriarimalala ny vahaolana amin’izany. Tsy voatery hanana fiara 4x4 na miliardera ny olona mivavaka hoy izy fa mba manana fiainana milamina sy mirindra kosa. Andriamanitra mivantana mantsy hoy izy no mirotsaka an-tsehatra eo amin’ny fiainany manome filaminan-tsaina sy fiadanam-po ho azy mba tsy hanaonaovany foana. Notsiahiviny moa fa na any amin’ireo firenena efa tena mandrosobe aza dia misy zava-tsarotra hiainana foana noho izany tsy misy afa-tsy ny eo akaikin’Andriamanitra irery ihany no tena vahaolana amin’ny fiatrehana ny fiainana.
Pati
Legende : Sady manatsara ny fiainana ety an-tany no manampy amin’ny fahatongavana any an-danitra ny vavaka hoy Pastera Heritiana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Léon XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

  • Mankalaza ny faha-42
  • Alarobia 25 Martsa 2026

taonany ny fiangonana Shincheonji

  • Pastera Heritiana
  • Alarobia 18 Martsa 2026

« Tokony hahitsy toa ny

Hijery ny tohiny
FTT