70 taona ny diosezin’i Miarinarivo

Diosezy malagasy voalohany, notantanana eveka malagasy hatrany


  • Alarobia 13 Aogositra 2025

Hankalaza ny taon-jaobily faha 70 taona ny diosezin’i Miarinarivo, faritra Itasy,

ny 21 hatramin’ny 24 aogositra izao. Nisy, noho izany, omaly ny antso nataon’ireo mpikarakara ireo zanaka am-pielezan’ny diosezy rehetra nisitraka fahasoavana tao anatin’izany diosezy izany. Ny 23 aogositra izao, hoy ny fanazavàn’ny filohan’ny ZAADIMI, Andrianjaka Rakotomalala, no fandraisan’ny Eveka ireo ZAADIMI amin’ny 4 ora hariva ary ny alahady no hisy ny fanamasinana Diakra sy Pretra amin’ny maha taom-pahasoavana azy. Io no diosezy malagasy voalohany satria ny eveka Monseigneur Ignace Ramarosandratana no nanangana azy. Isaky ny taon-jobily no ankalazàna ny taom-pahasoavana, izany hoe isaky ny 25 na 50 taona sy ny toy izany. Mifanandrify amin’izay kosa ny taon-jobily 2025 nahaterahan’i Jesoa, hoy hatrany izy. Isan’ny mampiavaka ny diosezin’i Miarinarivo ny hatramin’ny niandohany ka hatramin’izao, hoy kosa ny filoha mpanampin’ny ZAADIMI, Nirina Raharinarivoharimanana, dia eveka malagasy foana no nitondra tao. Ialohavan’ny fivorian’ny Pretra sy filankevitra pastoralin’ny diosezin’i Miarinarivo ny fankalazàna, hoy izy. Hisy ny lalao maro samihafa ara-kolontsaina, fanatanjahantena andraisan’ireo Pretra anjara izay iarahana amin’ny ZAADIMI na Zanaka am-pielezan’ny diosezin’i Miarinarivo. Ho raisin’ny eveka manokana aorian’izay ireo zanaka am-pielezana. Ho avy ao koa ny Nonce Apostolika hizara ny aim-panahy ho an’ny diosezy. Ny alahady moa no famaranana izay hanamasinana ho Pretra ireo 9 mirahalahy sy Diakra miisa 3 ao amin’ny Kristy mpanjaka. Isan’ny tena tanjona ny hamondrona ny zanaka am-pielezana rehetra ho hery iray hamondrona ny diosezy ho tonga sinoda fa eo indrindra ihany koa ny hitomboan’ny fanabeazana ara-panahy ho an’ireo mpino, hoy hatrany ny fanazavàna.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT