30 ANDRON’NY RAMADANY

Tsy afaka mandray anjara ireo vehivavy tonga fadim-bolana


  • Alatsinainy 03 Martsa 2025

Nanomboka afak’omaly Sabotsy 01 Martsa haharitra 30 andro ny Ramadany na ny fifadian-kanina

ho an’ireo mpino Slamo manerantany. Raha araka ny fanazavan’ny mpino Slamo iray dia fotoanan’ny fifehezan-tena ny vanim-potoana tahaka izao ho azy ireo. Lohalaharana ny ara-panahy. Eo ihany koa ny ara-batana ary ny ara-tsaina. Mifehy tena tsy miady aman’olona na manompa na manao teny mandratra. Mifehy tena ihany koa tsy manao firaisana ara-nofo indrindra fa ho an’ireo tsy vita fomba ara-dalana. Tsy misakafo ny mpino Slamo mandritra izany, tsy misotro rano no sady tsy mitelin-drora ihany koa. Ho an’ireo vehivavy mpino tonga fadim-bolana dia tsy afaka mandray anjara izy ireo mandritra ny fotoana hiainany izany. Afaka manonitra ny fotoana tsy nahafahany nanao ramadany kosa anefa izy ireo avy eo. Mizara telo mazava io 30 andro hanatanterahan’izy ireo ny fifadian-kanina io raha araka ny fanazavana azo hatrany. Ny 10 andro voalohany natao hisaorana sy hiderana an’Andriamanitra rano fotsiny. Ny 10 andro faharoa natokana ho an’ny fibebahana mikasika ireo ratsy natao ary ny 10 andro fahatelo fangataham-pitahiana ho an’ny mpiara-belona sy ny fianakaviana. Ny datin’ny Alahady 30 Martsa araka izany vao hifarana tanteraka ny Ramadany ho an’ireo mpino Slamo.
Pati
Legende : Mivavaka miady amin’ireo karazana fakam-panahy ny mpino Slamo ao anatin’izao Ramadany izao !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT