Finoana

20 taona ny FMFoi Hifady hanina haharingana ny pesta, hanao asa soa ho an’ny fiarahamonina


  • Zoma 06 Oktobra 2017

Hankalazaina amin’ny 15 oktobra ho avy izao ny 20 taona nitsanganan’ny FMFoi na Feo Maherin’ny Finoana. Amin’izao vanim-potoana tena hisian’ny ny pesta eto amintsika izao, hoy ny apôstôly Benjamina, mpanangana ny FMFoi, dia ilaina tanteraka ny mivavaka ho an’ny firenena.

Hankalazaina amin’ny 15 oktobra ho avy izao ny 20 taona nitsanganan’ny FMFoi na Feo Maherin’ny Finoana. Amin’izao vanim-potoana tena hisian’ny ny pesta eto amintsika izao, hoy ny apôstôly Benjamina, mpanangana ny FMFoi, dia ilaina tanteraka ny mivavaka ho an’ny firenena. Noho izany indrindra dia hanatanteraka hetsika vavaka sy fifadian-kanina tsy misy fetra, manomboka rahampitso mandrapahasitran’ny tany, sy haharingana ny pesta eto amintsika, ireo pasitera ao amin’ny FMFoi sy ny apôstôly Benjamina. Hampahery ireo olona hivavaka sy hanome torohevitra ao amin’ny onjam-peo FMFoi, 107.4 ihany koa anefa izy ireo. “Ampirisihina mihitsy aza ny marary hanatona dokotera” hoy izy. Ho an’ity fankalazana ity dia hanao asa soa ho an’ny fiarahamonina toy ny fiaraha-miasa miaraka amin’ny dokotera, fanampiana izy ireo hirariany hitohy amin’ny 20 taona manaraka. Hisy ny vavaka faobe hotanterahiny amin’io ka hanasany  ny olona rehetra tsy ankanavaka, etsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina. Marihina fa manana ivontoerana 150 eto Madagasikara ny FMFoi ary 30.000 ireo vita batisa tao aminy.

Aina

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT