Finoana

150 taona FJKM Imerinkasinina Notokanana omaly ny valintafo sy « orgue » ho tsangambato


  • Alatsinainy 18 Novambra 2019

Tontosa omaly ny famaranana ny jobily faha-150 taonan’ny FJKM Imerinkasinina. Nanamarika ity fanompoam-pivavahana ity ny fitokanana ny valintafo sy ny « orgue », izay tsangambaton’ny faha-150 taona.

 

 

 

 Namaly ny fanasan’ny kristianina Andriamatoa Marc Ravalomanana mivady. Tamin’izany indrindra no nanoloran’ny mpitandrina, ny biraom-piangonana, ny biraon’ny jobily ary ireo kristianina ao amin’ny FJKM Imerinkasinina ny mari-boninahitra ho an’Andriamatoa Marc Ravalomanana mivady noho ny asa fanompoana izay nitondra fampandrosoana ho an’ny fiangonana.  Tsiahivina fa tsy ny teto amin’ny FJKM Imerinkasinina ihany no efa nahazo tombony tamin’ny fanampiana nataony fa ny eo anivon’ny FJKM iray manontolo mihitsy. Fiangonana sy sekoly an-jatony mahery no niorina vokatry ny fanampiana nataony. Tao koa ny fampitaovana tamin’ny fomba maoderina ny radio Fahazavana. Tsy adinoina ny fanampiana ny olona sy ny mahaolona  (leadership) nentiny fony izy filoha lefitra laika ny FJKM, izay nanampy be tamin’ny famolavolana ireo kristianina FJKM.

Nangonin’i RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT