Finoana

01 novambra 2010 Ho ao Antsahamanitra ny HMF


  • Zoma 29 Oktobra 2010

Ny sabotsy 06 febroary 2010 no nitarika fiaraha-mivavaka ho an’ny firenena tao Antsahamarina ny Hetsiky ny Mpitondra ny Fivavahana (HMF), rehefa nisantatra izany tao ny alatsinainy 28 janoary 2010.

Valo volana aty aoriana, hiverina eny an-toerana ny HMF hanamafy ny fitoriana ny tenin’Andriamanitra hampanjakana ny fahamarinana eto amin’ity firenena ity ary koa hamitranana indray ny fihavanana eo amin’ny samy Malagasy, izay nosamatsamahan’ny hevitra tsy mitovy tato anatin’ny krizy. Amin’ny alatsinainy 01 novambra izao ireto mpitondra fivavahana mivondrona ao amin’ny HMF ireto no hifamotoana amin’ny Kristianina ao Antsahamanitra, hivavaka ho an’ny firenena. Io ihany koa no fotoana hihaonan’izy ireo voalohany, ankalamanjana indray, amin’ny mpino kristianina rehetra, taorian’ny “fisedrana sy lalan-tsarotra” nodiavin’izy ireo noho ny raharaha FIGN, ny 20 mey 2010, ka niampangana ireto mpitondra fivavahana ireto ho nikotrika fanakorontanana sy fanonganam-panjakana eny hatramina vonoan’olona mihitsy aza ho an’ny sasany, araka ny fanazavan’izy ireo nandritra ny tafa nifanaovany tamin’ny mpanao gazety, teny Ambohimanarina omaly, nampahafantarana ity hetsika hatao amin’ny 01 novambra ity. Nambaran’ny mpitandrina Randriamisata Roger, tamin’izany fa efa azo Antsahamanitra ary efa eny amin’ny prefen’Antananarivo ny fangatahana mikasika io hetsika io, ary matoky izy ireo, fa halalaka ny fanatanterahana izany. Hanamarika ny tolakandron’ny alatsinainy 01 novambra io ny fitoriana filazantsara sy fijoroana vavolombelona, hataon’ireto mpitondra fivavahana ireto.

Mikasika iny raharaha teny Fort Duchesne ny 20 mey iny moa dia nilaza ny mpitandrina Valisoa Rafanonerantsoa fa “sady tsy manenina ny HMF no tsy diso lalana”. Nanamafy ny nambarany ny mpitandrina Michael fa “izay toerana ahazoana mitory ny tenin’Andriamanitra, na koa misy mitady izany dia tonga hatrany izy ireo, ary hivavaka no nitondrana seza, fanamafisam-peo ary koa tranoheva (chapiteau) teny an-toerana fa tsy nisy eritreritra zavatra hafa”. Nohamafisin’izy ireo koa fa mahatsiaro manana andraikitra ny HMF fa tsy mamela azy ireo hangina ny tsy rariny sy ny tsindry hazo lena mihatra amin’ireo mpiray tanindrazana aminy. Na izany aza dia nilaza izy ireo fa tsy mampiasa na hampiasa ny maha Mpitondra fivavahana azy ireo hikatsahana tombontsoa manokana fa ampiasain’Andriamanitra kosa izy ireo hitsinjovana ny mpiara-belona, araka ny fanazavana ihany.
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Léon XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

  • Mankalaza ny faha-42
  • Alarobia 25 Martsa 2026

taonany ny fiangonana Shincheonji

  • Pastera Heritiana
  • Alarobia 18 Martsa 2026

« Tokony hahitsy toa ny

Hijery ny tohiny
FTT