Fifamoivoizana

Zotran-dalamby TCE hiverina Andrasana ny fanarenana ny toekarena


  • Zoma 04 Desambra 2020

Rehefa nahazo lohamasinina 4 sy wagons maromaro dia fantatra ihany koa izao fa

 

 

 

ahazo lohamasinina sy wagons vaovao ny zotra TCE na Tananarive Côte-Est izay mampitohy an'i Antananarivo sy Toamasina. Amboarina ary ho kojakojaina ny lalam-by mba ahafahana mamerina ity zotran-dalamby TCE ity ary ny taona 2021 izao no voalaza fa hiverina tsikelikely izany zotran-dalam-by TCE izany, ka Moramanga - Toamasina aloha no hisokatra voalohany, raha ny fizaram-baovao voaray farany. Vinaniana tokony hampidi-bola be satria toerana maro no mamokatra nefa tsy tongan’ arabe amin’iny faritra iny. Ahitana lalan-dratsy ny faritra sasany. Tokony hampivoatra ny fizahantany ihany koa satria maro toerana tsara toa an'Ambila lemaitso, Tampina, Ankarefo ary manana moron-dranomasina sy torapasika mbola mahatamana ny toerana. Andrasana araka izany ny fanarenan’ity zotra ity ny toekarena saingy miankina amin’ny fahaizan’ny mpitondra sy mpitantana ihany moa no ahatongavana amin’izay.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT