Tena ratsy, mampiaka-peo
ny Lehiben’ny Faritra Analanjirofo
Efa nandritra ny taona maro no nijaly ny mponina any amin’ny lalam-pirenena faha-22 vokatry ny faharatsian'io ampahan-dàlana mampitohy an'Antsikafona sy Vavantenina i hoy ny Lehiben'ny Faritra Analanjirofo Maitre Tody Arnaud. Efa maro ny fangatahana sy dingana nataony teo anivon'ny Minisitera voakasika; amin'ny maha-tompon'andraikitra voalohany azy eo anivon'ny Faritra saingy fampanantenana foana hatreto no azo fa tsisy fikitihana ilay làlana mihitsy hoy ny fanazavany. Mitaraina mafy anefa ireo vahoaka any amin'io toerana toalaza io satria toerana tena mamokatra lodisia, jirofo , kafé , lavanila, volamena sns... ; saingy sarotra ny famoahana ny vokatra noho ny faharatsian'ny làlana indrindra raha vao mirotsaka ny orana. Anaty fotoam-piotazana lodisia anefa isika izao ka sahiran-tsaina sy very fanahy ireo tantsaha mpamboly toy ny hoe : hatao ahoana ny vokatra izay tokony hahazoan'izy ireo vola kely hiantoka ny fiainan'izy ireo indray mandritra ny taona ho avy . Manao antso avo amin'ny tompon'andraikitra eo anivon'ny Minisiteran'ny Asa vaventy manoloana izany ny Lehiben'ny Faritra Analanjirofo mba hanafainganana izay azo hatao hanampiana ireo vahoaka mpamokatra voakasik'io ampahan-dàlana RN22 anatin'ny Faritra iadidiany io. Mendrika hiaina sy hisitraka Fanavaozana toy ny rehetra ihany koa ireo tantsaha maro an'isa any Antsikafona sy Vavantenina ireo hoy izy.
Pati
Legende : Mampiteny ny moana tahaka izao ny haratsian’ny lalam-pirenena faha-22 !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.