Fifamoivoizana

Zotran-dalamby Niverina ofisialy TCE Moramanga-Toamasin


  • Zoma 02 Jona 2023

aiverina tamin’ny fomba ofisialy nanomboka omaly 01 jona 2023 ny zotran-dalamby TCE Moramanga-Toamasina, izay nosokafan’ny Minisitry ny Fitaterana sy Famantarana ny Toetr’andro,

Ramonjavelo Valéry, niaraka tamin’ ny Governora ny faritra Alaotra Mangoro, ny Governora ny faritra Atsinana, ireo tompon’andraiki-panjakana amin’ireo toerana andalovan’ny zotra TCE, ary indrindra ireo mpiasan’ny Madarail izay tompon’andraikitra volohany amin’ny zotra an-dàlamby TCE, nahatontosa izao fiverenan’ny zotra izao. Noraisina ofisialy ireo fiaran-dàlamby vaovao ampiasain’ny Madarail amin’ny fitaterana olona izay ahitana ny 1ère classe mahazaka olona 64 ary ny 2ème classe mahazaka olona 216. Miisa 22 ireo kaominina andalovan’ny “Dia Tsara” ary maro amin’izy ireo no mitoka-monina satria dia tsy tongan’ny fiara mihitsy. Natao hanamorana ny fifamezivezen’ny mponina amin’ny faritra Alaotra Mangoro sy Atsinana noho izany ny zotra an-dàlamby TCE “Dia Tsara”, ary indrindra hamoahana ireo vokatra sy entana ilain’ny mponina amin’ny fihariana sy ny fiainana andavanandro. Maharitra 12 ora ny làlana Moramanga – Toamasina ataon’ny Dia Tsara, noho ny fijanonana amin’ireo “gares” miisa 23 izay andalovany, satria ny antom-pisian’ny zotra an-dàlamby mpitatitra olona dia ny mba hahafahan’ireo toerana rehetra andalovany misitraka ny fifamezivezena. Efa mijery akaiky sahady ny hamelomana ihany koa ny zotra Moramanga-Lac Alaotra (MLA) ny Minisitera mpiahy ankehitriny ho fampivoarana hatrany ny fitaterana manerana ny Nosy, raha ny fanamarihana. Eo ny fitaterana izay heverina fa ho mora kokoa, fa azo heverina ho varavarana misokatra ho an’ny fizahantany ihany koa itony noho iny faritra Atsinanana iny manan-karena zavaboahary.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT