Fifamoivoizana

Zotran-dalamby FCE Toby fiantsonana 6 no harenina


  • Alarobia 17 Jona 2020

Ny taona 1925, tao anaitn` ny fanajjanaantanyy tanteraka, nihevitra ny toekarena eto an-toerana ireo mpanjanaka ka nanamboatra ny zotra lalamby mampitohy an` I Fianarantsoa sy ny faritra Atsinanana, tonga ao Manakara na ny Fianarantsoa Cote Est (FCE).

 

 

 

Zotran-dalamby mamakivaky ala hatramin` izay kam hatramin` izao. Efa nisy ny asa natomboka tamin` ny taon-dasa toy ny amin’ny fitaterana an-dalamby sy ny asa fanamboarana ny tetezana ao Sahasinaka amin’ny zotra FCE. Lohamasinina telo no efa tonga eto amintsika amin’izao fotoana izao ho hampiasaina tsy ho ela intsony any amin’ny FCE. Ho amin` ity taona ity kosa dia hanao ezaka goavana ny governemanta amin’ny lafiny maro toy ny fanarenana toby fiantsonana an-dalamby miisa 06 any amin’ny FCE dia ny gares ferroviaires any Manakara, Fenomby, Manapatrana, Tolongoina, Mahabako ary Fianarantsoa. Marihana fa mitondra mpizahantany maro koa nby zotra FCE, vahiny na Malagasy maro. Manomboka ny volana aogositra hatramin` ny oktobra no mahabetsaka azy ireo. Isafidianan` ireo mpizahantany io zotra io ny hahitana ireo harena voajanahary karazany maro. Tafiditra ao anatin` ny fampiroboroboana ny fizahan-tany anatiny rahateo ny famerenana amin’ny laoniny ny zotra an-dalamby eto amintsika.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT