Marary ny zotran-dalamby FCE (Fianarantsoa Côte-Est) na efa mba nahavelom-panantenana kely aza ny famelomana azy. Nanomboka ny volana may 2022 teo no nitokona ny mpiasa,
mitaly ny karama 8 volana tsy voaloa. Mpiasa vitsy no miantoka ny fampandehan-draharaha. Ny sabotsy 04 jona teo anefa, nisy olana ny lohamasinina BP 246 noho ny resaka hisatra na “freinage”, ka nisy ampahany niala tamin’ny raha ny fampitam-baovaon’ny mpiasa. Ilay Alsthom AD12B an’ny RNCFM ihany no tomombana ireo resaka hisatra io satria voalaza ihany koa fa tsy tomombana ilay GEE U10B vao tonga, lohamasinina efa tany amin’ny taona 1964 no nivoahany, tsy afaka manetsika ny hisatry ny wagons. Nisy ambany niala tamin’ny làlamby. Nandrindra ny faran’ny herinandron’ny pentekosta teo, nanantena ny fahombiazana amin’ny fanamboarana ilay Asthom BB 246 ny mpiasa, saingy tsy misy vokany hatramin’izao. Ny fitaovana vao tonga vita Suisse izay efa tranainy, efa tamin’ny 1966 ihany koa dia tsy misy hisatra sy “attelages” mifandraika aminy. Noho izany, samy misy olana ny lohamasinina 3 nambara fa vaovao. Tsy mampiasa afatsy ny fitaovana efa tranainy hanaovana ny zotra Fianarantsoa Manakara noho izany ny FCE, ka raha vao misy fahasimbana ilay BB 246 dia tsy misy fiaran-dalamby izay, hoy ny fampitam-baovao.
Toky R
Légende :Ilay Alsthom AD12B mitondra ny laharana BB 246
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.