Zotran-dalamby FCE

Lamasinina iray nivadika, 3 naratra


  • Alakamisy 21 Septambra 2023

Nivadika ny fiaran-dalamby Fianarantsoa Côte Est, omaly Alarobia 20 Septambra tokony ho tamin’ny 10 ora maraina.

Tao Tanakidy, kaominina ambanivohitr’Ambatrahazo, distrikan'i Manakara no nitrangan’izany raha araka ny vaovao azo, fiaran-dalamby izay saika handeha ho any Fianarantsoa. Olona miisa telo no naratra mafy vokatr’izany raha tsy nisy kosa ny aina nafoy. Raha araka ny loharanom-baovao moa dia vokatry ny fahanteran'ny lalamby misy eto amintsika no niteraka ny loza ka anisan’izany io ao Tanakidy io. Nisitaka tamin'ilay lalamby mihitsy mantsy io lamasinina io ka nivadika. Ahiana hatrany araka izany ny hisian’ny loza tahaka izao raha tsy mandray ny andraikiny ny Fitondram-panjakana. Hihazakazahana mafy indray mantsy tato ho ato ny famelomana ireo zotran-dalamby eto amintsika saingy ny mahavariana na ny fikolokoloana ireo foto-drafitrasa efa nisy teo aloha aza tsy misy, antony niteraka izao loza mahatsiravina izao. Efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy avokoa moa ireo olona telo naratra ireo hoy ny vaovao.
Pati
Legende : Nivadika tahaka izao ilay lamasinina vokatry ny fahasimban’ilay lalamby !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT