Fifamoivoizana

Zotran-dalamby Antananarivo-Toamasina Sao mba efa tokony hovelomina amin’izay ?


  • Alarobia 10 Novambra 2021

Adihevitra amin’izao fotoana izao ny fiakaran’ny saran-dàlan’ny taksibrosy zotra nasionaly manomboka ny 22 novambra 2021 ho avy izao.

 Samy maka ny toerany ny mpandeha sy ny mpitatitra ka ny andaniny mivoy tsy ara-drariny ny fampiakarana satria ny solika tsy miakatra, asa ho an’ny vahoaka na « service publique » io ka tsy tokony hanaovana tian-kano sy tsy tian-kano. Ny ankilany indray mivoy fa matoa niditra tamin’ny asa fitaterana dia ny fampiasam-bola io ary toy ny fandraharahana rehetra mitady tombony, ny làlana ratsy, ny piesy lafo,… Samy mandrirotra amin’izay heveriny fa rariny ho azy avy, kanefa dia zavatra mifameno. Eo anatrehan’ireny, ilaina ny manetsika ireo mety ho vahaolana hafa mba mety hahavita izay vitany ? Inona marina moa izany no tena sakana be amin’ny tsy hamelomana ny zotran-dalamby eto amintsika? Tena zava-dehibe ny raha velona sy miodina ny zotra Antananarivo-Toamasina, Moramanga-Ambatondrazaka, izay nanana ny lazany fahiny saingy maty tanteraka. Tena avokavoky ny toekarena anefa iny ny Faritra Antsinanana sy Alaotra satria ny iray misy ny seranantsambo mamatsy an’I Madagasikara, ny iray sopitra ara-pamokarana. Anisan’ny be olona mifamezivezy isan’andro. Mahaliana sy mahasintona olona ny zotran-dalamby noho ny zavaboahary lalovany, izany hoe tena azo trandrahina betsaka amin’ny sehatry ny fizahantany. Ny lalamby rahateo azo lazaina ho mbola tsara daholo, ary mbola mandeha mitsitapitapy eny rahateo ny fitaterana entana. Tena ilàna asa sy finiana anefa io, fa tsy entina amin’ny kisehoseho ivelany. Araka ny efa natsipy tetsy ambony, ankoatra ny anjara toerany ara-toekarena, dia azo trandrahina tsara amin’ny fizahan-tany ny zotran-dalamby eto amintsika. Ho an’ny Zotra FCE (Fianarantsoa-Côte Est), ohatra, dia mba efa misy ny "Train spécial vacances", toy ny mapitohy an'i Fianaratsoa sy Sahambavy ny 5-6 novamva teo izay 7 000Ar monja ny sarany mandroso sy miverina; 10 000 Ar ny famandrihana manokana; 15 000Ar ho an’ny sokajy VIP, raha mandroso na miverina kosa 6.000Ar. Endrika maneho io, fa mbola azo trandrahana sy velomina tsara ny zotran-dalamby.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT