Fifamoivoizana

Zotram-pitaterana suburbaine E Maro no manary olona antenantenan-dalana


  • Alarobia 07 Febroary 2018

Mampitaraina an’ireo mpandeha avy any amin’ny By Pass hihazo ny renivohitra fatratra ny afitsoky ny zotram-pitaterana suburbaine E fa manivana olona tsotra izao ny ankamaroan’izy ireo, tahaka an’ireo zotram-pitaterana maro any amin’ny toeran-kafa ihany koa,

 

 ary tsy tonga any amin’ny fiantsonana farany etsy Behoririka na etsy Mascar ihany koa fa eny Mahazo dia efa ahitsany avokoa ireo mpandeha ao anatiny dia iny izy no miverina ilalana indray. Ny teny an’avona ataon’ny resevera sy ny fanositosehana mpandeha amin’izany manginy fotsiny.

Raha nanontanianay eto amin’ny Tia Tanindrazana ny “Directeur des Infrastructures et Normes” eny amin’ny A.T.T, Atoa Razafimahanina Fils, dia nanambara fa tsy tokony hataon’ireo mpitatitra mihitsy ny zavatra tahaka an’izany fa mety mahavoasazy mafy raha tena voaporofo sy misy mitory. Tena anjaranay eto amin’ny A.T.T ny manara-maso ny trangan-javatra ohatra izany, hoy izy, ary miaraka amin’ny kaomiserana polisy sy ny filohana kaoperativa izahay matetika ao anatin’ny “Commission Mixte de Contrôle” manao “visite inopinée” eny an-dalana eny ka manasazy mafy an’izay tratra (10 andro tsy mahazo miasa) fa dia hiangaviana ny mpandeha mba hiantso avy hatrany anay raha misy tranga hafahafa miseho 034 07 421 11.

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT