Fifamoivoizana

Zotram-pitaterana Suburbaine Ambohimanambola Tsy nivoatra na dia efa 600 ariary aza ny saran-dalana


  • Zoma 02 Novambra 2018

Raha vao mikenonkenona ny hampakatra saran-dalana ny zotra suburbaine sasany manodidina an’Antananarivo, ny an’ny zotra mampitohy an’Ambohimanambola-Ambohijatovo kosa dia efa tamin’ny faha-15 oktobra lasa teo no nanjary 600 ariary ny saran-dalana mampitohy an’ireo toerana roa ireo.

 

 

 Lasa 400 ariary kosa ny tapa-dalana Ambohimanambola-Ankadindratombo sy ny mifanohitra amin’izay ary koa ny Ankadindratombo-Ambohijatovo Ambony sy ny mifanohitra amin’izay koa. Raha ambara fa misy kaoperativam-pitateraa 8 ao amin’ity zotra suburbaine iray ity dia fantatra kosa dia tena iray ihany izy ireo na dia mody misy I, J sy hafa koa aza.  Tsy dia nisy ny fimenomenomana be tamin’ireo mpanjifa avy any amin’ity tanàna ity satria vao nasondrotry ny zotra urbaine Antananarivo-Renivohitra ho 500 ariary ny saran-dalany dia efa nanampo an’ireo fisondrotana 600 ariary ny teny Ambohimanambola. Ny mahavariana anefa na dia efa mba misondrotra koa aza ny versements azon’ireo taksibe eny an-toerana dia tsapa ho tsy dia nitondra fanovana n’inona n’inona teo amin’ny fomba fiasan’ireo zotra ireo izany fa azo lazaina fa ny teo ihany no teo. Mbola filaharam-be isan’andro eny Ambohimanambola sy eny Ambohijatovo Ambony ary hankisisika hatrany ny eo Ankadindratombo.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT