Fifamoivoizana

Zotra rezionaly sy nasionaly Tsy mbola hiakatra aloha ny saran-dalana


  • Alatsinainy 22 Novambra 2021

Tsy mbola mihatra manomboka anio alatsinainy 22 novambra ilay fampiakarana saran-dalana kasain’ny mpitatitra ao amin’ny zotra nasionaly sy ny rezionaly hatao.

Vao noraisin’ny teo anivon’ny Minisiteran'ny Fitaterana ny faran’ny herinandro teo mantsy ny fananganana ny komity manokana manapaka ny fanitsiana ny saran-dalana, izay ahitana ny solontenan’ny mpitatitra sy ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa. Nodinihina nandritra izany ny fandrafetana ny komity sy ny asa miandry azy ary ny fotoana hiasany, araka ny fanamarihana nentin’ny mpitatitra. Tsaihivina moa fa volavolan-dalàna no mandrafitra ny fitsanganan’ny komity manokana ka afaka miasa avy hatrany izy ireo raha vantany vao tafatsangana soa aman-tsara amin’ny ara-dalàna izany. Tanjon’ny komity moa ny tsy hahafaty ny Reniny no sady tsy hahabotry ny zanany izany hoe : sady voatsinjo ny mpandeha no tsy maty antoka ihany koa ny mpitatitra.
Pati
Legende : Tsy mbola hampiakatra saran-dalana ireo mpitatitra
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT