Fifamoivoizana

Zotra rezionaly sy nasionaly Hiakatra tsikelikely ny saran-dalana


  • Alarobia 24 Novambra 2021

Miakatra tsikelikely ny saran-dalana miazo ny faritra hiantsorohan’ny zotra nasionaly sy rezionaly. Nisantatra izany ny mampitohy ny distrikan’i Mahanoro amin’Antananarivo izay lasa 30.000 Ar raha 20.000 Ar teo aloha.

Toraka izany koa ny mampitohy ny distrikan’i Vatomandry amin’i Mahanoro izay lasa 20.000 Ar raha 16.000 Ar teo aloha. Marina hoy ny tompon’andraikitra fa 84 km ny elanelan’ireo distrika roa ireo saingy handanian’ny fiara 6 ora be izao vao vita noho ny haratsian-dalana. Na izany aza hoy ireo koperativa omaly dia tsy nikorontana na nitabataba ny mpandeha satria mahafantatra tsara ihany koa ny fahasahiranan’izy ireo. Ny mpanakiana tao amin’ny tambajotran-tserasera Facebook hoy izy ireo no tena nanao ny nataony nandrangitan’olona saingy efa tongotra mby an-dakana ny azy ireo. Raha araka ny fantatra moa dia hitohy hatramin’ny fiandohan’ny volana desambra ho avy izao io fampiakarana saran-dalana io ka 10 % no kely indrindra raha mahatratra 40 % kosa no betsaka indrindra.
Pati
Legende : Efa niakatra afak’omaly ny saran-dalana miazo an’i Mahanoro
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT