Fifamoivoizana

Zotra rezionaly sy nasionaly 15 kg isan’olona ihany sisa ny entana azo entina


  • Alarobia 06 Novambra 2019

Holanjaina avokoa manomboka izao ny entana ho entin’ireo taxi-brousse ao amin’ny zotra rezionaly sy nasionaly mivoaka sy miditra ny

 

 

 

 

 renivohitra hisorohana ny lozam-pifamoivoizana mety hitranga ka mety hamoizana ain’olona. Ferana ho 15 kg isan’olona ihany izany raha araka ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety, omaly Atoa Reribaky  Jeannot. Hatreto mantsy hoy izy dia  tsy ny fanaovana  taingim-be ihany no miteraka loza fa  eo ihany koa ny fitondrana entana marobe tsy  mifanaraka amin’ny tanjaky ny fiara.  Mety ho voahaja ihany hoy hatrany izy ilay haavon’ny entana entina  0,80 cm isaky ny taxi-brousse araka ny lalana saingy mifanohitra amin’izay kosa ny  vesatr’ireo entana. Hanao hetsika goavana indray araka izany ny ATT manomboka  amin’ny fiandohan’ny volana Desambra ho avy izao. Tafiditra ao anatin’izany ny fanaraha-maso ny fiara ankoatra ny fijerena manokana ireo entana entiny mba ho faran’ny taona hieren-doza no ho lalovan’ny rehetra.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT