Fifamoivoizana

Zotra rezionaly ao Toamasina Efa niverina niasa avokoa ireo mpitatitra nitokona


  • Alatsinainy 19 Jona 2023

Efa niverina niasa nanomboka tamin’ny sabotsy 17 Jona lasa teo avokoa rehefa nitokona nandritra ny roa andro ireo mpitatitra amin’ny zotra rezionaly ao Toamasina.

Taorian’ny resaka nifanaovan’izy ireo tamin’ny solontenan’ny Ministeran’ny fitaterana sy ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety any an-toerana mantsy dia fantatra fa hovahana avokoa ireo olana sedrain’izy ireo amin’ny fanatanterahany ny asany amin’ny andavanandro. Lohalaharana amin’izany ny fifehezana ireo tuc tuc izay tsy tokony hiasa ivelan’ny renivohitr’i Toamasina nefa marobe no manita-dalana. Toraka izany koa ny fidiran’ny taxi-brousse avy aty Antananarivo miazo an’i Soanierana Ivongo avy hatrany raha tokony hijanona ao Toamasina ihany miampy ny tsy famerana ny entana tokony ho entin’izy ireo. Niravona ny olana tamin’ny ankapobeny saingy mbola nanamafy ireto mpitatitra ireto fa hitohy amin’ny fitokonana avy hatrany raha vantany vao mahita tranga mifanohitra tamin’ny fangatahin’izy ireo.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT