Fifamoivoizana

Zotra nasionaly Nolavin’ny minisitra ny fangatahana hiasa


  • Alakamisy 11 Jona 2020

Mbola tsy azo sokafana ny nasionaly sy ny rejionaly noho ny zavatra mitranga, mbola tena misy sy mitombo ny valanaretina, hoy ny Minisitry ny fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro Joel Randriamandranto.

 

 

 Ny fahasalamam-bahoaka no laharam-pahamehana ho an’ny fitondram-panjakana, raha ny nambarany. Ny tokony hatao dia miandry ny fihaonana amin’ny Filoham-pirenena amin’ireo mpitatitra sy ny mpandraharaha, raha ny toromarik’io tompon’andraikitra io. Tsy ny mpitatitra irery rahateo no misedra olana amin’izao fotoana izao, raha ny nambara. Nitohy omaly kosa tetsy ankilany ny hetsik’ireo mpitatitra, ka nihazo ny teny amin’ny Fasan’ny karana iray ny mpitatitra omaly. Tsy mitovy izany ny hevitra, ka andrasana izay ho vahaolana avy amin’ny fitondram-panjakana. Raha ny zava-nisy tany aloha, dia notsipahin’ny fanjakana ny tolo-kevitra 50 miliara ariary nangatahan’ny vondron’ny mpandraharaha, tsy mbola nisy akony na tsy nisy misy mihitsy ny fihaonana nambaran’ny Filoha hatao amin’ny mpandraharaha amin’ny asa vaventy sy ny sehatra tsy miankina no nolazaina fa ny faran’ny herinandro teo no hanaovana azy.

 Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT