Fifamoivoizana

Zotra nasionaly Nokajiana amin’ny fiakaran’ny solika ny saran-dàlana…


  • Alakamisy 14 Jolay 2022

Samy nampiakatra saran-dàlana avokoa ny mpitatitra ao anatin’ny zotra nasionaly amin’izao fotoana izao. Milaza izy ireo fa tsy misy fanararaotana fa araka

ny kajy tsotsotra niainga tamin’ny fiakaran’ny vidin-tsolika. Ny fiakarana no nalaina, tsinjaraina amin’ny isan’ny seza, hoy hatrany izy ireo. Ho an’i Toamasina manokana, ohatra, mandany 100litatra mandroso sy miverina, ka iny no nikajiana azy. Natao hitsinjovana ny mpandeha, dia ny fiakan’ny solika ihany no nalaina tamin’ny mpandeha, hoy ny fanazavana. Miantso ny hanamboarana ny làlana simba sy feno lavaka kosa ireo mpitatitra satria mampiakatra ny fandaniana izany na eo amin’ny solika na eo amin’ny famoaham-bola noho ny fahasimbana. Na milaza aza moa ny mpitatitra fa ny fiakaran’ny solika ihany no nikajiana ny fiakaran’ny saran-dàlana, dia maro amin’ny mpandeha kosa no mihevitra sy mahatsapa fa tena tsy zakan’ny fahefa-mividy intsony ny fampiakarana saran-dàlana. Hatreto kosa, toa nangingina ny Fanjakana mikasika izay saran-dàlan’ny zotra nasionaly izay na nilaza aza ny 11 jolay teo fa hifampidinika amin’ny zotra nasionaly. Asa hoe: Aiza ho aiza ny Minisiteran’ny fitaterana sy ny eo anivon’ny Antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety na ny ATT?
Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT