Fifamoivoizana

Zotra nasionaly Niakatra avo roa heny ny saran-dalana


  • Alarobia 08 Aprily 2020

Ankoatry ny fiandrasana ora maro, tsy maintsy mbola niatrika ny fidangan’ny saran-dalana ihany koa ireo olona namonjy fodiana ho an’ny faritany nanomboka omaly.

 

 

 

Avo roa heny mihitsy ny fiakarana ho an’ny ankanaroan’ireo zotra nasionaly; ny mankany Morondava dia lasa 70 000 ar raha 35 000 ar izany teo aloha.50 000 ar ny mankany Ihosy raha toa ka 35 000 ar teo aloha.120 000 ar be izao ny saran-dalana ho an’ny olona iray ho any Bekily raha 60 000 ar no nahazatra.Tena lafo kanefa tsy maintsy ekena satria te hody ny tena, hoy ireo mpandeha..tsy nanan-tsafidy.Fa ankoatr’izay lasa ady ity resaka saran-dalana miazo ny faritra ity , tsy mitovy fomba fijery ny samy koperativa hany ka samy manao izay mahamety azy. Misy ohatra ireo avy hatrany dia nampiakatra avo roa heny ny saran-dalany amin’ny mahazatra , araka ny voalaza etsy ambony noho ny isan’ny mpandeha voafetra sy noho tsy fisian’ny mpandeha entiny miakatra intsony, indrindra raha aorian’ny rahampitso Alakamisy. Misy indray anefa ireo nampiakatra ihany fa kely, indrindra fa ho an’ireo handeha amina toerana tsy dia lavitra loatra toa an’Antsirabe ohatra ka mbola afaka mamonjy eto an-drenivohitra mialohan’ny rahampitso Alakamisy. Ho an’ny miazo an’i Mahajanga ohatra dia efa tafakatra 60.000 Ar izany ho an’ny koperativa sasany. 40.000 Ar kosa ny miazo an’Antsirabe raha 55.000 Ar ny miazo an’i Fianarantsoa.

 

 Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT