Fifamoivoizana

Zotra nasionaly Mety hiakatra 15 ka hatramin’ny 20% ny saran-dalana


  • Alarobia 01 Septambra 2021

Mangataka ny hampiakarana ny saran-dalana ho 15 ka hatrany amin’ny 20 % ireo zotra nasionaly eto amintsika. Fantatra izany

 omaly nandritra ny fidinan’izy ireo ifotony teny amin’ny Ministeran’ny fitaterana sy ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety hanatitra ny fangatahana sy hitaraina. Tsy afaka manapaka fahatany ny fampiakarana saran-dalana mantsy izy ireo raha tsy mahazo alalana mazava raha araka ny fantatra. Antony maro no manosika azy ireo ho tonga amin’izany. Anisan’ireny ny fiakaran’ny vidin-tsolika, ny haratsian’ny lalana raha manampy trotraka izany ny fiakaran’ny vidim-piainana izay tena efa mampitaraina ny maro tokoa ankehitriny. Ho an’ireo mpitatitra miazo an’i Mahajanga any amin’ny lalam-pirenena fahaefatra ohatra dia nambaran’izy ireo fa tokony efa ho 40.000 Ar ny saran-dalana miainga eto Antananarivo raha mbola 30.000 Ar izany amin’izao fotoana. Tafiditra ao anatin’ireto zotra nasionaly hangataka ity fampiakarana saran-dalana ity koa moa ireo miazo an’i Toamasina sy Mahajanga.
Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT