Fifamoivoizana

Zotra nasionaly Mangataka fanampiana, hanao hetsika rahampitso


  • Talata 19 Mey 2020

Roa volana katroka tsy niasa, saingy tsy mba nisitraka fanampiana tahaka ny teto an-dRenivohitra ireo mpitatitra amin’ny zotra Nasionaly etsy Andohatapenaka,

 

 

 

izay mampitohy an’Antananarivo amin’Antsiranana, Mahajanga, Toamasina, Fenoarivo Antsinanana. Mba niandry ihany ny mba hivaha ilay fihibohana kanjo ireny ny tenin’ny Filoham-pirenena hoe mitohy 15 andro, hoy ireo mpitatitra. Izahay anefa tsy misy hohanina, ary manana ankohonana velomina. Efa tena bokan-trosa tanteraka amin’izao fotoana izao. Raha hiteny izahay hoe vahao ny làlana hiasanay dia ohatran’ny mihantsy ady amin’ny fanjakana, hoy izy ireo. Efa ho banga hatrany amin’ny 1 tapitrisa ariary ny vola tsy miditra amin’ny mpitatitra. Mba efa nahazo ny anjarany hatramin’ny mpivaro-tena mety hatramin’ny sarim-bavy, ka mba omeo izahay, hoy ireo mpitatitra. Hanao hetsika firaisan-kiana izy ireo rahampitso alarobia. Izahy tsy migrevy fa mangataka, hoy ireon mpitatitra. Miisa hatrany amin’ny 80 izy ireo no tsy afa-miasa eny Andohatapenaka amin’izao fotoana izao.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT