Fifamoivoizana

Zotra Ligne E Mbola misy manary an-dàlana ihany


  • Zoma 25 Martsa 2022

Na efa misy aza ireo tarehin-tsoratra napetraky ny kaoperativa amin’ny zotra “Ligne E” mampahafantatra ny làlana halehan’ny fiara,

 dia mbola misy amin’ireo taksibe ihany no manao tsinontsinona ny mpandeha ankitsirano izao. Misy miodina eo amin’ny « Rond poind » sampanan’ny By Pass Ambohimangakely na efa misy ilay famatarana litera A miloko mena maneho fa miazo amin’iny làlan’i By Pass hatrany amin’ny fasika Ankadimbahoaka iny aza. Isan’ny nanao izany ny fiara mitondra ny laharana 8212 TBC, izay nanary olona teo amin’ny «Rond point» Ambohimangakely omaly maraina tokony ho tamin’ny 6:59. Nasain’ny resevera nesorina ny takelaka famantarana rehefa tonga teo amin’ny « Arrêt » Ambohimangakely aorian’ny tetezana. Ny filaharana eo amin’ny handraisana fiara vaovao anefa milahatra efa ho 50metatra, hany ka tara ny mpiasa sy ireo mpandeha manana fotoana hovonjena vokatry ny fanariana an-dàlana. Sady tsy manaja olona no tsy mahalala fomba ny resevera, fa manao beloha fotsiny rehefa noresahina fa tsy mety ny ataony, ary efa voasoratra fa tokony hiazo an’i By Pass Alasora, saingy tsy misy “plaque” an’izany eo zoky, hoy izy. Ny tena zava-doza, dia sahiny ny nilaza fa ny «frein» an’ny fiara aza hatry ny maraina no tsy nety. Nahoana no mbola nentina ihany fiara raha tena marina tokoa izany? Tsy midika ho filalaovana aim-bahoaka ve io raha mitombina tokoa? Tsy resaka fankahalana taksibe na mpamily sy resevera, fa tena tsy rariny loatra ny fanaovana tsinontsinona ny mpandeha, kanefa natao hifamelona ny mpitatitra sy ny mpandeha fa tsy hifamono. Miantso ny tompon’andraikitry ny Kaoperativa “Ligne E” noho izany handray andraikitra amin’ireo mpamily mbola minia manary olona an-dàlana, ka isan’izany ity fiara 8212 TBC ity. Tsy sanatria finiavana hitsikera, ary fanatsarana no ilaina, hananana porofo mazava hatramin’ny fomba famaly sy firesaky ny resevera, ka andrasana ny fandraisan’andraikitry ny tompon’andraikitry ny zotra. Asam-bahoaka misy bokin’andraikitra mazava rahateo io ka tsy tokony hatao raharahan-jiolahimboto ka mila fifanajana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT