Fifamoivoizana

Zotra Ivato-Antananarivo Betsaka ny fitarainana voaray


  • Alakamisy 31 Martsa 2022

Midingin-drambo ireo taksibe eny Ivao izay milaza fa misy ny fanamparam-pahefana ataon’ny mpitandro filaminana.

 Misy ihany koa ny fanomezan’ny Fiadidian’ny tanànan’Ivato alalana ho an’ny zotra hafa hitrandraka ny asam-pitaterana mampifandray ity tanàna ity amin’Antananarivo Renivohitra noho ny hafitsoky ny kaoperativa ankehitriny, izay mampijaly vahoaka. Tetsy ankilany, «Manao ny asany ny polisy », hoy ny talen’ny kabinetran’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka, manolona ny fihetsiketsehana ataon’ny mpitatitra miasa amin’ny zotra Ivato-Antananarivo, milaza fa « tsy faly » amin’ny fanasaziana ataon’ny polisy, ka nanao fitokonana efa roa androa omaly. « Mampihatra ny lalàna misy izahay », hoy hatrany ny komisera Randriambelo Mandimbin’Ny Aina Mbolanoro. Nilaza io tompon’andraikitra io, fa betsaka ny fitarainana voaray amin’ireo mpitatitra eny Ivato ireo toy ny fanaovana taingim-be rehefa hariva, ny fampiasana ny seza volamena ary ny fiverenan-dalana eny antenantenany, tsy tonga hatramin’ny farany akory. Matetika dia miodina eo Andranomena na Ambohibao izy ireo raha ho any Antananarivo. Ny faran’ny lavitra indrindra dia eo amin’ny fiantsonanana eo amin’ny « Ny Havana 67 Ha ». Ankoatra ny mpandeha izay mitaraina, dia eo koa ny Kaominina, toy ny ao Ivato, izay miezaka manamafy ny fanaraha-maso mba tsy hampijaly ny mponina. Mihaino ny vahoaka sy miara-miasa amin’ny tomponandraikim-panjakana isan-tsokajiny ny mpitandro filaminana ary « mampanaja ny lalàna velona » hoy ny talen’ny kabinetran’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka. « Zon’ny mpitatitra ny maneho hevitra, zon’izy ireo koa ny mametraka fitoriana eo anivon’ny sampan-draharaha miady amin’ny kolikoly izay tiany, na eo anivon’ny Birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly (Bianco) na ny eo anivon’ny Polisim-pirenena, raha misy polisy hitan’izy ireo tsy manaraka ny lalàna ny polisy », hoy ity tomponandraikitra ambony ity. Araka izany dia manamafy ny ady amin’ny kolikoly koa ny eo anivon’ny polisim-pierenana Malagasy ao anatin’ny fampihanarana ny lalàna misy, hoy hatrany ity tomponandraikitra ambony ity.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT