ZOTRA F NIVARINA TANY ANATY HANTSANA

Namoy ny ainy ny mpamily, mpandeha 7 naratra mafy


  • Alatsinainy 17 Febroary 2025

Nitrangana loza mahatsiravina tany amin’ny Kaominina Alasora afak’omaly Sabotsy 15 Febroary hariva

Fiara fitateram-bahoaka ao amin’ny zotra F no nivarina tany anaty hantsaha teny amin’ny lalana miazo an’i Dialambo. Naratra mafy voatsindry sy tapaka vokatr’izany ireo mpandeha miisa 7 izay voatery nomena ny fitsaboana voalohany tao amin’ny CSB II Alasora aloha vao nalefa hotsaboina maharitra eny amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha. Namoy ny ainy teo noho eo kosa ilay mpamily. Raha araka ny vaovao azo moa dia vokatry ny halaman’ny lalana no nahatonga ny loza. Misy ihany koa anefa no milaza fa ilay mpamily mihitsy no efa reraka raha tao koa ireo niteny fa nisy olana ilay fiara. Ny fanadihadiana hataon’ny mpitandro ihany anefa no tena hanamarina izany na tsia. Mirary fiononana ho an’ny fianakavian’ny maty.
Pati
Legende : Tahaka izao no fivadihan’ilay taxi-brousse !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT