Fifamoivoizana

Zotra F - Andoharanofotsy Tafakatra 1.000 Ar ny saran-dalana amin’ny hariva


  • Alarobia 03 Oktobra 2018

Raha efa mba milamindamina kely ny fiaraha-miasan’ny mponina amin’ireo taksibe sasany eny Andoharanofotsy toy ny zotra 172, 187 ary ny 137 dia mampitaraina fatratra azy ireo indray ny hafitsoky ny zotra F mandalo eny an-toerana.

Amin’ny 4 ora hariva mantsy dia  efa tsy mandray  ireo mpandeha ao Andoharanofotsy  intsony izy ireo fa avy hatrany dia mamakivaky ny By-pass avokoa, raha araka ny fitarainana voarain’ny Ben’ny tanàna. Raha misy mandray aza dia tafakatra hatrany amin’ny 1.000 Ar ny saran-dalana ka  misy amin’ireo mpandeha no voatery manao dia an-tongotra rehefa tsy manana an’izay. Rehefa mba nitaraina tany amin’ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety na  ny ATT anefa ny Ben’ny tanànan’Andoharanofotsy  Ranirison Hasina mikasika io tranga io dia fantatra fa tsy nahazo valin-teny mahafa-po ny tenany. Tsy faly amin’ireo zotra tsy manara-dalàna ireo  mihitsy ny  “Structure Local de Concertation” ( CLS) ao amin’ity kaominina iray ity izay marihina fa hivondronana olobe sy manampahaizana maro. Miantso ny mba hisian’ny fiaraha-miasa ao amin’ny ATT sy ny kaominina ny tenany hahafahana mandrindra ny fifamoivoizana eny an-toerana. Tsiahivina fa efa nahazo fiofanana avokoa ireo mpamily sy mpanampy ireo. Nampahafantarina ny tompon’ny fiara ihany koa ny momba ny bokin’andraikitra.

 Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT