Zotra Antananarivo-Taolagnaro

Fiara TATA lehibe iray tra-doza teo Ambatolampy


  • Zoma 01 Aogositra 2025

Manao tohivahana ny lozam-pifamoivoizana eto amintsika. Fiara mpitatitra marika Tata

mampitohy an’i Taolagnaro sy Antananarivo no tra-doza teo Ambanimaso Ambatolampy PK 68 omaly Alakamisy 31 Jolay tokony ho tamin’ny 05 ora sy 40 minitra. Nivadika sy nilatsaka tany amin'ny sisin'ny arabe io fiara io rehefa avy nandona andrin-jiro mitondra ny herinaratry ny JIRAMA.Tsy nisy ny aina nafoy saingy maromaro ireo naratra ka tsy maintsy nentina haingana hamonjy ny toeram-pitsaboana CHRD Ambatolampy, raha araka ny vaovao azo. Nibahana ny arabe ilay andrin-jiro sy ny tarobia nandritra izany ka miteraka ny fahatapahan'ny herinaratra teny amin'ny manodidina sy ny fahatapahan-dalana. Voatery noforonina ny fivilian-dàlana ho an'ireo fiara madinika noho izany.Efa tonga tany an-toerana ihany koa ny ekipan'ny JIRAMA Antananarivo, ny Talem-paritry ny Asa vaventy sy ny tompon'andraikitra JIRAMA Vakinankaratra namaha ny olan'ny jiro sy ny làlana.
Pati
Legende : Tahaka izao no nihafaran’ilay fiara TATA lehibe !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT